Herz Jesu Kloster

Fikambanana Fo Masin´i Jesoa

Düsseldorf, Nordrhein-Westfalen

ALEMAINA

Masera 17 avy amin'ny firenena maro samihafa no nantsoin'Andriamanitra hiara-miaina ao amin'io monastera io, mba hifanpizara sy ho fahazavana eo afovoan'io tanan-dehibeio izay manan-karena tokoa. Eo amin’izany renivohitra lehibe izany no ahitana ny fanantontoloana, ny materialista ary ny ankamaroan’ny mponina dia efa manadino an'Andriamanitra.

    Düsseldorf, dia manakaiky ny reniranon’i Rin, andro aman'alina dia mipararetra ny sirenina maro isan-karazany, ambulance,fiaran’ireo mpamonjy voina ary ny fisamboaravoaran'ny fifamoivoizana. Ireo rehetra ireo dia atambatray ho  famenoana ny litorjia amin'ny ora fivavavahana izay ataonay in’enina  mandritra ny andro tontolo ary indray mandeha mandritry ny alina.

      Io tana-dehibe io dia niseho ho fitaovana an’Andriamanitra izay manohana anay amin’ny fanampiana rehetra: manomboka avy amin’ireo olona mahatoky izay tsy mitsahatra ny mandray anjara ao amin’ny fiangonanay, ireo olona maro isan-karazany matoky ny fivavahanay, sy ireo olona maro be izay tsy fantatra.Tianay ny misaotra azy ireo noho ny fiahiany sy ny fahalalahan-tananany,ary día apetrakay eo ambanin’ny fiarovan’ny Masina Maria Virjiny izy ireo.

        Mandritry ny herinandro día misokatra ho an’ny olona rehetra ny tranonay.Ho an’ireo izay te handray anjara amin’ny fitsaohana ny Sakramenta Masina,ho fanamafisana ny finoany ary ahatsapany ny fitiavan’Andriamanitra lalina ho azy ireo.

          Mampihetsim-po anay ihany  koa ny hery izay manintona ao amin'ny fitsaohana ny Sakramenta Masina, izay misintonaireo olona (tanora sy lehibe). Tonga izy ireo mba hivavaka sy hiala sasatra ao amin'ny Tompo, mba hahatsapany fitiavana sy fampiononana.

            Na dia manan-karena tokoa aza io tanan-dehibe io dia misy ihany koa  ireo mahantra izay tonga mitady sakafo ato aminay. Amin'izany fihetsika  kely  izany dia tianay ny manome azy ireo marim-pitiavana an'Andriamanitra, tsy hoe hanalana ny hanoanana ara-batana fa ny aram-panahy.

            © 2017 Hermanas de Claraval. All rights reserved

            Impressum