Santísima Trinidad

Trinite Masina

Pachacútec- distrikan'i  Ventanilla-Callao

PERÒA

Ity monastera ity dia hita any Pachacútec (fivondronan'i Callao , distrikan'i Ventanilla) – Perou.

Ny ankamaroan'ny masera dia mipetraka aty.  33 izahay, ary avy amin'ny firenena maro samihafa.

    Ny trano foibe, izay miorina eo anelanelan'ny tanana, dia trano fiofanana ho an'ireo novisy sy mpiomana ho relijiozy ao amin'ny fikambanana. 

      Amin'ny fibanjinana ny ranomasin'i Pasifika  no hahafahanay ihany koa mibanjina ny zava-boary sy ny fahefan'Andriamanitra.

        Nanomboka tamin’ny fitokananany trano, Andriamanitra dia niseho tamin’ny alalan’ireo orin’asa, fianakaviana, olom-patatra ary olona tsy fantatra mba hanampy anay amin’ny fitaovana maro samihafa izay ilainay: aram-panahy sy ara-materialy, izany no nanandramanay: ny mpanao soa anay  sy izahay ihany koa, ny fitiavan-dRay tsy misy fetra ,Día Izy Andriamanitra.

        Tsy hita izay fomba lehibe  ahafahanay maneho ny fankasitrahanay afa tsy ny  fahatsiarovana sy ny fiton-drana am-bavavaka anareo lalandava.

        Efa miha-mandroso tsikeikely ny mponina  manodidina , ary mitovy amin'izany koa ny ato aminay izay mbola ao anatin'ny fanamboarana ny trano hatramin'izao. Izany dia tsy manakana anay hiaina ny fiainana an-davanandro sy ny fiderana an'Andriamanitra. Manana fiompiana akoho manatody lava ihany koa izahay, izay mitondra any anarana hoe “San Silverio“, izay miisa  300 eo ho eo ireo akoho, izany hoe an'ny monasteranay izany.

          Eo afovoan'izany efitra izany dia  tianay ny mba ho tonga tany lonaka ho an'ireo olona izay manana ratram-panahy. Noho izany dia misokatra ho azy ireo ny trano fandraisam-bahiny. Amin’ny alalan’ny fahanginana, no ahafahan’izy ireo mihaona amin’ilay Andriamanitra velona, ny fandraisany anjara amin’ny litorjia ny ora ary ny fifampizarana  ny fankalazana ny lamesa miaraka aminay.

            © 2017 Hermanas de Claraval. All rights reserved

            Impressum