Sagrado Corazón de Jesús

Fo Masin’i Jesoa

Real de Gandía, Valencia

ESPAGNE

Hita ao amin'i Real de Gandía amoron-dranomasin'i Valencia – Espagne.

 

Ny anarany dia nalaina avy amin'ny tsagam-bato lehiben'i Fo Masin'i Jesoa. Izay ao ajaina manokana ao amin'ny diosezy.

 

Manana mpisolo -tena izay mpanokatra varavarana sy lalana izay, dia i Masina Maria, izay hita amin'ny Medaly Mahagaga ny sariny.

    Tamin’nynahatongavanay taty Espania día tsapanay fa  nafana tokoa ny fandraisan'ny olona anay.

    Amin'izao dia miisa 16 izahay,Eo an-dalam-panamboarana izahay día nanandrana ny fahalalan-tanan’Andriamanitra lehibe tokoa,izay tsy mitsahatra ny maneho fahagagana amin’ireo zavatra lehibe sy madinika indrindra.Fahagagana izay maneho ny fitiavan’Andriamanitra Ray izay azo tsapain-tanana tokoa.

      Izany fitiavana izany dia miseho mivaingana amin'ny alalan'ny olona izay manohana anay aram-panahy sy ara-batana: ireo pretra tonga isan'andro mankalaza ny Lamesa, ireo orin'asa manome fanomezana sy fihenam-bidy mba hanoanana ny fananganana ny trano; ireo mpanao trano izay manana ny zotom-po sy fahalalahana tokoa mba hahavitan'izany trano izany; ireo fianakaviana maro izay manome ny fotoany sy ny fitiavany mba hanampiana anay amin'ny alalan'ny sakafo, ary ireo olona maro be izay tsy fantatray izay manohana anay mba hahavitan'izany asan'Andriamanitra izany.

      Na dia izany aza dia mbola eo an-dalam-pananganana ny Egizy izahay.

      ES 11 0081 7340 8000 0223 8031 SABADELL

      ES 89 0081 7340 8100 0223 8130 SABADELL

      Na día mbola eo an-dalam-pananganana izany trano izany aza izahay dia miaina ny fiainanay andavanadro ao amin’ny fandinihana,ary iray Fanahy amin’ny trano foibe any Perou  sy any Alemanina, manolotra araky izany ny fiainanay miaraka amin’ny hafaliana sy ny fahasahiranan’ny andro,ary tanjona día ny hitondrana ao am-pon’I Jesoa ireo fanahy espagnole sy izao tontolo izao. 

      © 2017 Hermanas de Claraval. All rights reserved

      Impressum