Ny fiainanay

            an-davanandro

“Manaraka anay rehefa mandositra izahay.

            Mitodi-damosina Anao izahay ary

           Ianao mihazakazaka ho eo anolohanay ;

            mitaraina Ianao, nefa voaeso;

            tsy misy fikorontanana,

tsy misy fanesoana izay tsy ahafahanao miala, tsy misy fiantoana,

             mampiasa fitaovam-pifandraisana maro Ianao

            Izay ahafahan’izy ireo manantona an’izany 

            hafaliana tsy mbola hitan’ny maso, 

            na ren’ny sofina, 

            na sain-tsain’ny 

            fon’olombelona”. 

 

            - Saint Bernard de Clairvaux-

Maraina

Fampianarana ny Fitsipiky Md.Benoit, Asikezy, famakianana Boky Masina, ireo Aban’ny Eglizy, Teolojia…

mosika ary zavatra maro samihafa. 

Latinina, miaraka amin’ny karazam

-pitenenana maro…

Ny tanjona amin'izany dia ny mba hananana fifandraisana amin'i Kristy.

Mosika

Derainay ny Tompo amin'izay ataonay, miaraka amin’ny hira fiderana sy ny mosika ama-zava-maneno isan-karazany. 

Manddritry ny lamesa día milalao zava-maneno isan-karazany izahay mba hisaorana an’Andriamanitra.

Asa

Ny tapak'andro hariva dia natokanay ho an'ny asa.

Hifampizaranay ny asa ao an-dakozia,  ny fanasana lamba,  ny  sakristy, ny fiandraiketam-bola, ny fanjairana...

ny fandokona, ny fanaingona labozia, ny tranom-boky bibliotheque ny fambolena, ny asa fandraisam-bahiny ary ny zaridaina.

Mandritra izany asa izany izahay dia mandinika amin-pahanginana ny tenin'Andriamanitra ao am-ponay. 

Fialam-boly

Rehefa mifarana ny  tontolo andro dia manana antsasak’adiny izahay hialana voly miaraka amin’ireo masera.

Mivory izahay mba hifampizara lohahevitra maro samihafa an-tsitrapo, momba ny fianankavianay, mifampizara ireo ahiahy  ary ihany koa ireo hafaliana

Ny rehetra día mandray anjara amin’ny fanompoana ny namana, izay Jesoa Kristy tenany ihany,  Mifampihaino izahay mba hifampizarana ireo fotoana tena tsara sy nahafinaritra nandritry ny andro.

Ny famaranana ny andro

“Toro-hevitr'i Md. Piera: „Mahalala oniny, ary miambena; fa ny demony fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy, miorena mafy amin'ny finoana, fantatro fa miaritra fahoriana toraka ixzany koa  ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao“  1Pier 5,8-9.

 Io ny vaki-teny amin'ny kompleta, izay  vavak'alin'ny Egizy izay entinay ihany koa hamarananay ny andro, ny fihirana ny Salve Regina, apetrakay eo am-pelatanan'i Masina Maria avokoa ny zavatra rehetra.

         Ora:

3.00 ora                                       Matutin

5:30  – 6:15 ora                           Famakiana boky aram-panahy

6:30 ora                                      Fiderana maraina/ Fandinihana ny Evanjelin'ny andro

7:30 ora                                       Sakafo maraina

8:00 ora                                      Fianarana mozika

8:50 ora                                       Tertiam

9:00 ora                                       Lamesa

10:20 ora                                     Kilasy

11:50 ora                                      Sextam / Sakafo ataoandro / Nonam

13:30 - 16:30 ora                        Asa

16:55 ora                                      Fakan-Drivotra

17:30 ora                                      Vavaka hariva / sakafo hariva

18:30 ora                                     Kompleta

Ora ny Lamesa ny Alahady sy andro Manandanja

Perou: 12:00

Alemania sy Espania: 11:00

 

Isaky ny faha-13 ny volana

 

Fitsahoana ny Sakramenta Masina:

Perou sy Alemania: 9:00 – 19:00

Espania: 10:00-20:30

 

Sakramentan’ny fivalozana(kónfesy) :

Perou sy Alemania: 17:00 – 19:00

Espania: 20:00 – 20:30

 

Prossesion miaraka amin’ny Masina Maria arahin’ny Lamesa:

Perou sy Alemania: 19:00

Espania: 20:30

© 2017 Hermanas de Claraval. All rights reserved

Impressum